Ny tetiandro litorjikan'ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana dia miavaka noho ny fisian’ ny fifandimbiasan’ ny fifadian-kanina sy ny fety, ary mitovitovy amin’ ny lafiny sasany amin’ ny an’ ny Katolika rômana izany. Ny taom-baovaon’ ny Fiangonana anefa, raha araka ny fanao taloha, dia manomboka amin’ ny 01 Septambra, fa tsy amin’ ny Alahady voalohan’ ny Advento.
Ahitana fety roa manaraka tsingerijna raikitra sy tsingerina paskaly (na miova) amin'izany. Ny fety lehibe indrindra dia ny fetin’ny Paska (Paskha). Manaraka ny fety lehibe roa ambin’ny folo, izay ahatsiarovana ny zava-nitranga miavaka indrindra teo amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny Renin'Andriamanitra (Theotokos: Masina Maria).
Ny ankamaroan’ny Kristiana ortodoksa (ny Rosiana indrindra) dia manaraka ny tetiandro joliana raha mikajy ny datin’ny fetim-piangonana, nefa maro (isan’izany ny Patriarkata Ekiomenika sy ny Fiangonan’i Gresy) no nandray ny fomba fikajiana araka ny tetiandro joliana nahitsy (izay mifanandrify ankehitriny amin’ny tetiandro gregoriana) mba hikajiany ireo fety miovaova daty arakaraka ny datin’io tetiandro io.
Eo anelanelan’ny taona 1900 sy 2100 dia misy elanelany 30 andro amin’ny datin’ny tetiandro joliana sy ny tetiandro joliana nahitsy na ny tetiandro gregoriana. Raha ohatra ka ankalazaina amin’ny 25 Desambra ny Noely araka ny fanao tranainy dia mifanandrify amin’ny 7 Janoary amin’ny tetiandro joliana nasiam-panitsiana izany. Ny fikajiana ny datin’ny Paska anefa dia araka ny tetiandro manara-bolana miorina amin’ny tetiandro joliana, na dia ho an’ireo fiangonana manaraka ny tetiandro joliana nasiam-panitsiana aza.
Misy fizaran-taona efatra ifadian-kanina ny taona iray:
Ny taom-piangonana dia voarafitra mba hahatonga ireo fety lehibe ireo hankalazaina mandritra ny fizaran-taom-pifadian-kanina tsirairay, ka hahatonga ny fifadian-kanina hifandimby amin’ny andro fifaliana.
Ankoatr’ireo fizaran-taona ifadian-kanina ireo dia ifadian-kanina koa amin’ny Alarobia sy Zoma amin’ny taona manontolo (ary ny monastera ortodoksa sasany dia mitandrina koa ny Alatsinainy ho fifadian-kanina). Ny andro raikitra sasany dia mandrakariva andro fifadian-kanina, na dia mifanandrify amin’ny Asabotsy na Alahady (izany fifadian-kanina izany dia azo hakelezina, nefa tsy foanana tanteraka); ireto izy ireo:
Maro ireo fotoana tsy ifadian-kanina, rehefa tsy azo atao ny mifady hanina, na amin’ny Alarobia sy ny Zoma aza. Ireto avy izy ireo: ny herinandro aorian’ny Paska, ny herinandro aorian’ny Pentekosta, ny fotoana manomboka eo anelanelan’ny Fahaterahan’i Kristy sy ny 5 Janoary ary ny herinandro voalohan’ny Triodion (herinandro manaraka ny Alahady faha-17 alohan’ny Pentekosta).
Ny Paskha
Ny fety lehibe indrindra dia ny Pascha (Paska). Ny Paska ho an’ny Atsinanana sy ny Andrefana dia kendrena ho ny Alahady voalohany aorian’ny fenomanana mifanandrify amin’ny 21 Marsa na aorian’io daty io (izany hoe ny andron’ny fitoviam-paharetan’ny andro sy ny alina, atao hoe ekinoksa vernaly), nefa ny kajin’ny Ortodoksa dia aoriny amin’ny tetiandro joliana ka ny 21 Marsa dia mifanadrify amin'ny 3 Avrily amin'ny tetiandro gregoriana, sy amin’ny kajin’ny datin’ny fenomanana hafa noho ny fanao amin’ny any Andrefana.
Ny datin’ny Paskha dia ivon’ny taom-piangonana manontolo, ka mamaritra, tsy ny datin’ny fiandohan’ny Karemy Lehibe sy ny Pentekosta ihany, fa ny fikajiana ny tsingerin’ireo fety miovaova daty sy ny famakiana ny Soratra Masina ary ny Oktoekhos (lahatsoratra vakina manaraka fomba valo samihafa ao am-piangonana) mandritra ny taona. Misy koa ny fety vitsivitsy tsy tena manan-danja firy mandritra ny taona izay miorina amin’ny datin’ny Paskha. Ny tsingerina miova daty dia manomboka amin’ny Alahadin’i Zakaiosy (ny Alahady voalohany anomanana ny Karemy Lehibe na ny Alahady faha-33 manaraka ny Pentekosta), na dia mitohy hatramin’ny Alahadin’ny Sampan-kazo (na Alahadin'ny Sampan-drofia) aza ny tsingerin’ny Oktekhos.
Ny datin’ny Paskha dia mahakasina ireto fizaran-taona litorjika manaraka ireto: